Asan'ny Apostoly 20:19
dia ny nanompoako ny Tompo tamin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin’ ny fanotrehan’ ny Jiosy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 20
Cross References
Psalms 119:136Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko Noho ny tsi-fitandreman’ ny olona ny lalànao.
Jeremiah 13:17Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin’ ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin’ i Jehovah.
John 12:26Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
Acts 13:50Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin’ i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin’ ny taniny.
Acts 14:19Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’ i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.
Acts 17:13Fa raha ren’ ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin’ Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.