Asan'ny Apostoly 20:24
Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 20
Cross References
1 Chronicles 11:18Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin’ ny miaramilan’ ny Filistina ka nanovo rano tao amin’ ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin’ ny vavahady, dia nentiny ho any amin’ i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an’ i Jehovah.
John 15:27Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin’ ny voalohany.
Acts 1:17fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin’ izao fanompoana izao koa.
Acts 11:23Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ ny Tompo amin’ ny fo minia fatratra.
Acts 20:21ary nambarako tamin’ ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Acts 21:13Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’ i Jesosy Tompo.