Asan'ny Apostoly 20:38
sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon’ i Paoly ka nanoroka azy,
Read all of Asan'ny Apostoly 20
Cross References
Acts 15:3Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an’ i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan’ ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
Acts 21:5Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin’ ny vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan’ ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka;
1 Corinthians 16:11Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin’ ny rahalahy sasany aho.