Asan'ny Apostoly 21:24
raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy etỳ izay nivoady;
Read all of Asan'ny Apostoly 21
Cross References
Exodus 19:14Dia nidina avy tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin’ ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
Numbers 6:9Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin’ ny andro fanadiovana azy izy, dia amin’ ny andro fahafito no hanaratany azy;
Numbers 6:18Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin’ ny afo izay eo ambanin’ ny fanati-pihavanana.
Judges 13:5Fa, indro, hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an’ Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin’ ny tanan’ ny Filistina.
2 Chronicles 30:18Fa nisy olona betsaka, dia maro avy tamin’ ny Efraima sy ny Manase sy ny Isakara ary ny Zebolona, no tsy mba nanadio ny tenany, kanefa nihinana ny Paska ihany izy, fa tsy araka izay voasoratra. Ary Hezekia nivavaka ho an’ ireny ka nanao hoe: Jehovah tsara ô, mamelà
Job 41:25Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.