Asan'ny Apostoly 21:8
Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon’ i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin’ izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany.
Read all of Asan'ny Apostoly 21
Cross References
Acts 8:5Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’ i Kristy tamin’ ny olona tao.
Acts 9:30Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
Acts 16:10Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin’ izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ ny olona any.
Acts 16:16Ary raha nandeha ho any amin’ ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan’ ny tompony harena be.
Acts 20:6Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana.
Acts 23:23Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin’ ny ora fahatelo;