Asan'ny Apostoly 22:14
Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15fa ho vavolombelony amin’ ny olona rehetra ianao ny amin’ izay efa hitanao sy renao.
Read all of Asan'ny Apostoly 22
Cross References
Exodus 3:13Ary hoy Mosesy tamin’ Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin’ ny Zanak’ Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?
2 Kings 21:22Ary nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin’ ny lalan’ i Jehovah.
1 Chronicles 29:18Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon’ ny olonao mandrakizay izany fikasan’ ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony;
2 Chronicles 30:19izay rehetra efa nampiomana ny fony hitady an’ Andriamanitra, dia Jehovah, Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka ny fahadiovan’ ny fitoerana masìna aza izy.
Jeremiah 1:5Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ ny firenena.
John 15:16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ ny vokatrareo, mba homen’ ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ ny anarako na inona na inona.