Asan'ny Apostoly 22:24
dia nasain’ ny mpifehy arivo ho entina any anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina amin’ ny kapoka, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran’ ny olona azy toy izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Ary raha niantso sy niala lamba ary nanipy vovoka ho amin’ ny rivotra izy,
Read all of Asan'ny Apostoly 22
Cross References
John 19:1Ary tamin’ izany dia nalain’ i Pilato Jesosy ka nokapohiny.
Acts 16:37Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
Acts 21:34Ary ny sasany tamin’ ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly.
Acts 23:10Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan’ ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova.
Hebrews 11:35Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;