Asan'ny Apostoly 23:12
Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an’ i Paoly.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany.
Read all of Asan'ny Apostoly 23
Cross References
Leviticus 27:29Ny olona rehetra izay atokana dia tsy havotana, fa hatao maty tokoa.
Joshua 7:1Fa ny Zanak’ Isiraely nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, naka tamin’ ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin’ ny Zanak’ Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah.
1 Samuel 14:24Ary ory ny lehilahy amin’ ny Isiraely tamin’ izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza.
1 Samuel 14:40Dia hoy kosa izy tamin’ ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin’ i Saoly: Ataovy izay sitrakao.
2 Kings 6:31Dia hoy izy: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan’ i Elisa, zanak’ i Safata.
Esther 2:22Ary fantatr’ i Mordekay izany ka nambarany tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka; dia nambaran’ i Estera tamin’ ny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain’ i Mordekay azy.