Asan'ny Apostoly 23:29
dia hitako fa ady hevitra ny amin’ ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 23
Cross References
Acts 18:15fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany.
Acts 24:5Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan’ ilay antoko atao hoe Nazarena.
Acts 25:7Ary nony tonga izy, dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy;
Acts 25:19fa nanana ady hevitra taminy ny amin’ ny fivavahany sy ny amin’ izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain’ i Paoly ho velona.
Acts 26:31ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy akory izany lehilahy izany.