Asan'ny Apostoly 24:1
Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin’ ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin’ ny mpanapaka ny niampangany an’ i Paoly.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:
Read all of Asan'ny Apostoly 24
Cross References
Psalms 11:2Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin’ ny kofehy izy, nikendry tao amin’ ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.
Acts 12:21Ary tamin’ ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin’ ny vahoaka.
Acts 23:2Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany.
Acts 23:30Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy.
Acts 24:11fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin’ ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.
Acts 25:15koa tamin’ izaho tany Jerosalema ny mpisorona sy ny loholon’ ny Jiosy niampanga azy ka nangataka izay hanamelohana azy.