Asan'ny Apostoly 24:10
Ary rehefa notondroin’ ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin’ ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy.
Read all of Asan'ny Apostoly 24
Cross References
Luke 12:14Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
Acts 12:17Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan’ ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin’ i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin’ ny fitoerana hafa.
Acts 18:15fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany.
Acts 21:40Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin’ ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin’ ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin’ ny teny Hebreo izy ka nanao hoe:
Acts 26:1Ary hoy Agripa tamin’ i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe: