Asan'ny Apostoly 24:15
ary manantena amin’ Andriamanitra aho, izay antenain’ izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ ny marina sy ny meloka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 24
Cross References
Job 19:25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.
Matthew 22:31Fa ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon’ Andriamanitra taminareo manao hoe:
Acts 23:6Ary rehefa fantatr’ i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin’ ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin’ ny fanantenana sy ny fitsanganan’ ny maty no itsarana ahy.
Acts 26:6Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon’ Andriamanitra tamin’ ny razantsika no itsanganako hotsaraina eto,
1 Corinthians 15:12Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin’ ny maty, ahoana no ilazan’ ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan’ ny maty?
1 Thessalonians 4:14Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’ Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin’ i Jesosy hiaraka aminy.