Asan'ny Apostoly 24:16
Ary amin’ izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’ Andriamanitra na amin’ olombelona mandrakariva.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an’ ny fireneko.
Read all of Asan'ny Apostoly 24
Cross References
Romans 2:15fa ireo maneho ny asan’ ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,―
1 Corinthians 4:4Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy:
2 Corinthians 4:2Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’ Andriamanitra izahay; fa amin’ ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ ny fieritreretan’ ny olona rehetra eo imason’ Andriamanitra.
1 Timothy 1:5Fa ny anton’ ny didy dia fitiavana avy amin’ ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,
1 Timothy 3:9mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin’ ny finoana amin’ ny fieritreretana madio.
Titus 1:15Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin’ ny olona madio; fa raha amin’ ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.