Asan'ny Apostoly 26:20
fa nambarako voalohany tamin’ izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin’ ny tany Jodia rehetra ary tany amin’ ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin’ Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Ary amin’ izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho;
21Ary izany no nisamboran’ ny Jiosy ahy teo an-kianjan’ ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.
Read all of Asan'ny Apostoly 26
Cross References
Psalms 22:27Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
Jeremiah 31:19Nony efa niverina tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia niteha-tratra; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain’ ny tsinin’ ny fahatanorako.
Ezekiel 18:30Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin’ ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
Hosea 14:2Ry Isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.
Matthew 3:8Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;
Matthew 9:13Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.