Asan'ny Apostoly 26:8
Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Why should it be thought a thing incredible with you, that God should raise the dead?
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 26
Cross References
Genesis 18:14Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va? Amin’ ny fotoan’ andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
Luke 1:37Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra.
John 5:28Aza gaga amin’ izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ ny olona rehetra any am-pasana ny feony;
Acts 10:40nefa natsangan’ Andriamanitra kosa Izy tamin’ ny andro fahatelo ka nasehony marimarina,
Acts 17:31satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty.
Acts 25:19fa nanana ady hevitra taminy ny amin’ ny fivavahany sy ny amin’ izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain’ i Paoly ho velona.