Asan'ny Apostoly 27:1
Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin’ ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin’ ny antokon’ i Aogosto.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 27
Cross References
Psalms 33:11Ny fisainan’ i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
Proverbs 19:21Maro ny hevitra ao am-pon’ ny olona; Fa ny fisainan’ i Jehovah no haharitra.
Matthew 27:54Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an’ i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin’ izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io.
Luke 23:47Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.
Acts 10:22Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an’ Andriamanitra ka tsara laza amin’ ny firenen’ ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan’ anjely masìna hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.