Asan'ny Apostoly 28:26
manao hoe: Mandehana any amin’ ity firenena ity ianao, ka lazao hoe: Mba hahare mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 28
Cross References
Deuteronomy 29:4Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin’ ny tongotrao ny kapanao.
Isaiah 6:9Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin’ ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra.
Isaiah 29:14Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin’ ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan’ ny mazava sainany.
Isaiah 66:4Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana azy, Sy handatsahako ny fahatahorany ho aminy, Satria niantso Aho, fa tsy nisy namaly, Niteny Aho, fa tsy nihaino izy; Fa nanao izay ratsy eo imasoko, Ary izay tsy sitrako no nofidiny.
Ezekiel 3:6tsy ho amin’ ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin’ ireto Aho, dia hihaino anao izy.
Matthew 13:14Dia tanteraka aminy ny faminanian’ Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;