Asan'ny Apostoly 3:15
fa ny Tompon’ ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty, ary vavolombelon’ izany izahay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And killed the Prince of life, whom God hath raised from the dead; whereof we are witnesses.
In Context
14Fa ianareo nandà Ilay Masìna sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
Read all of Asan'ny Apostoly 3
Cross References
Matthew 28:2Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin’ ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.
John 4:10Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan’ Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
John 5:26Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy;
John 11:25Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
John 17:2araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’ izay rehetra nomenao Azy.
Acts 2:24fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ ny fahafatesana, satria tsy laitr’ izany hohazonina Izy.