Asan'ny Apostoly 5:14
Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And believers were the more added to the Lord, multitudes both of men and women.)
In Context
13ary tsy nisy tamin’ ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
Read all of Asan'ny Apostoly 5
Cross References
Deuteronomy 29:11hidiranao amin’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny fianianana, izay ataon’ i Jehovah Andriamanitrao aminao anio,
2 Samuel 6:19Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.
Nehemiah 8:2Dia nentin’ i Ezra mpisorona ny lalàna tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafito ho eo anatrehan’ ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin’ izay rehetra efa mahahaino.
Isaiah 45:24Ao amin’ i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin’ ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.
Acts 2:41Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’ izany andro izany.
Acts 4:4Kanefa maro tamin’ izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan’ ny lehilahy.