Asan'ny Apostoly 6:5
Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an’ i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masìna, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Fa izahay kosa haharitra amin’ ny fivavahana sy ny fampianarana.
Read all of Asan'ny Apostoly 6
Cross References
Proverbs 15:1Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
Proverbs 25:11Ny teny atao amin’ ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.
Matthew 23:15Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.
Acts 6:8Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ ny vahoaka.
Acts 7:1Ary hoy ny mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
Acts 11:19Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin’ i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’ ny olona izy, afa-tsy tamin’ ny Jiosy ihany.