Asan'ny Apostoly 7:50
Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Hath not my hand made all these things?
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 7
Cross References
Exodus 20:11Fa henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ ny andro fahafito; izany no nitahian’ i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
Psalms 50:9Tsy maka vantotr’ ombilahy amin’ ny tranonao Aho, na osilahy amin’ ny valanao;
Isaiah 40:28Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
Isaiah 45:7Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.
Isaiah 66:2Fa izao zavatra izao no nataon’ ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.
Jeremiah 32:17Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.