Asan'ny Apostoly 7:58
dia nandroaka azy ho eny ivelan’ ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan’ ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
57Ary ny olona niantso tamin’ ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
59Ary ny olona nitora-bato an’ i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.
Read all of Asan'ny Apostoly 7
Cross References
Leviticus 24:14Avoahy ho eny ivelan’ ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin’ ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
Deuteronomy 13:9dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran’ ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao;
1 Kings 21:13Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an’ i Nabota teo anatrehan’ ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an’ Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin’ ny olona nivoaka teny ivelan’ ny tanàna Nabota, dia notorahany vato ka maty.
John 10:23Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan’ ny tempoly teo amin’ ny Fialofan’ i Solomona.
Acts 6:13ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masìna ity sy ny lalàna;
Acts 9:1Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin’ ny mpisoronabe izy