Asan'ny Apostoly 8:26
Ary nisy anjelin’ ny Tompo nilaza tamin’ i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin’ ny lalana midìna avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 8
Cross References
Joshua 15:47Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta sy ny amoron’ ny Ranomasina Lehibe.
1 Chronicles 22:16Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah.
Zechariah 9:5Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana.
Luke 3:2ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe,― dia tonga tamin’ i Jaona, zanak’ i Zakaria, tany an-efitra ny tenin’ Andriamanitra.
Acts 10:7Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin’ i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin’ ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan’ izay nanaraka azy isan’ andro.
Acts 12:8Ary hoy ilay anjely taminy: Misikìna, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.