Asan'ny Apostoly 9:15
Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’ isiraely;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary manana fahefanay koa avy tamin’ ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
16fa hasehoko azy ny habetsahan’ izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
Read all of Asan'ny Apostoly 9
Cross References
Exodus 4:12Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
Jeremiah 1:7Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’ izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
Matthew 10:18ary ho entiny eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ ny jentilisa.
Acts 13:2Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masìna: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
Acts 22:21Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin’ ny jentilisa.
Acts 26:17hamonjy anao amin’ ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,