Bokin'i Amosa 1:11
Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Fa haterako afo ny mandan’ i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany
12Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben’ i Bozra izany
Cross References
Genesis 27:41Ary Esao nanao fo-lentika tamin’ i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’ ikaky, dia hamono an’ i Jakoba rahalahiko aho.
Numbers 20:20Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery.
Deuteronomy 23:7Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin’ ny andronao rehetra mandrakizay.
2 Chronicles 20:11nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ ny lova nomenao anay.
Psalms 83:3Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
Psalms 137:7Jehovah ô, tsarovy amin’ ny taranak’ i Edoma Ny andron’ i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin’ ny fanorenany.