Bokin'i Amosa 1:4
Fa haterako afo ny tranon’ i Hazaela, ka handevona ny tranoben’ i Beni-hadada izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But I will send a fire into the house of Hazael, which shall devour the palaces of Ben-hadad.
In Context
Cross References
Judges 9:57Ary ny ratsy rehetra nataon’ ny mponina tao Sekema dia natsingerin’ Andriamanitra tamin’ ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon’ i Jotama, zanak’ i Jerobala.
1 Kings 20:1Ary Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin’ ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an’ i Samada ary namely azy.
2 Kings 8:7Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin’ i Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin’ Andriamanitra.
2 Kings 13:25Ary Joasy, zanak’ i Joahaza, naka indray teo an-tànan’ i Beni-hadada, zanak’ i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain’ i Hazaela teo an-tànan’ i Joahaza, rain’ i Joasy, tamin’ ny ady. Intelo no nandresen’ i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan’ ny Isiraely.
Jeremiah 17:27Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasìna ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema ihany amin’ ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.
Ezekiel 30:8Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy.