Bokin'i Amosa 2:1
Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan’ ny mpanjakan’ i Edoma;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 22:1Ary ny Zanak’ Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
2 Kings 3:9Dia nandeha ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny mpanjakan’ ny Joda ary ny mpanjakan’ i Edoma; ary nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an’ ny miaramila sy ny biby fiompy izay nentiny.
Psalms 83:4Ny olonao no iokoany amin’ ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
Isaiah 11:14Fa hipaoka ny tanin’ ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin’ i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak’ i Amona hanoa azy.
Isaiah 25:10Fa hipetraka amin’ ity tendrombohitra ity ny tànan’ i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin’ izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin’ ny rano ao am-pahitra;
Ezekiel 25:8Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan’ i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak’ i Joda efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao,