Bokin'i Amosa 3:9
Ambarao ao an-tranoben’ i Asdoda sy ao an-tranobe any amin’ ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr’ i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?
Cross References
Deuteronomy 29:24Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
2 Samuel 1:20Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben’ i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin’ ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin’ ny tsy mifora.
Proverbs 11:16Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
Jeremiah 2:10Fa mità ho any amin’ ny moron-dranomasin’ i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:
Jeremiah 31:5Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin’ ny tendrombohitr’ i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.
Jeremiah 46:14Ambaraonareo any Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny sabatra.