Bokin'i Amosa 4:1
Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr’ ombivavin’ i Basana, izay eny an-tendrombohitr’ i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin’ ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 22:21Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo.
Deuteronomy 15:9Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin’ i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.
Deuteronomy 32:14Sy rononomandrin’ omby sy rononon’ ondry aman’ osy Mbamin’ ny tavin’ ny zanak’ ondry Sy ondrilahin’ i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin’ ny ran’ ny voaloboka ianao.
Job 20:19Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
Psalms 12:5Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
Psalms 140:12Tsy hampitoerina amin’ ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.