Bokin'i Amosa 4:13
Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin’ ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 10:22Dia nahinjitr’ i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran’ ny tany Egypta rehetra hateloana,
Deuteronomy 32:13Nampandeha azy teny ambonin’ ny havoana amin’ ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin’ ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin’ ny vatolampy afovato
Job 9:7Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
Psalms 65:6Zava-mahatahotra no ataonao amin’ ny fahamarinana ho valin’ ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin’ ny faran’ ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.
Psalms 139:2Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
Isaiah 5:30Ary hirohondrohona aminy amin’ izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon’ ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin’ ny rahona.