Bokin'i Amosa 4:7
Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin’ ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin’ ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan’ ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 8:22Fa hoy Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay fadin’ ny Egyptiana no hovonoinay hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin’ ny Egyptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va izahay?
Exodus 9:26Fa tao amin’ ny tany Gosena izay nitoeran’ ny Zanak’ Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra.
Leviticus 26:18Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin’ izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
Leviticus 26:27Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin’ izany indray ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
Deuteronomy 28:23Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin’ ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao.
1 Kings 8:35Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan’ ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin’ ny fahotany, satria ampahorinao,