Bokin'i Amosa 4:9
Efa nasiako tamin’ ny vary main’ ny rivotra sy maty fotsy ianareo; Ny habetsahan’ ny tanimbolinareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin’ ny valala; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 28:22Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main’ ny rivotra na maty fotsy no hamelezan’ i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao.
1 Kings 8:37Raha misy mosary amin’ ny tany, na areti-mandringana, na mainan’ ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin’ ny taniny, dia ao amin’ ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
Job 36:8Ary raha voafatotra amin’ ny gadra izy sy voafehy amin’ ny tadin’ ny fahoriana.
Isaiah 9:12Fa ny olona tsy miverina amin’ Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon’ ny maro, tsy mba tadiaviny.
Jeremiah 3:10Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin’ ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin’ ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.
Hosea 11:5Tsy hiverina ho any amin’ ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy.