Bokin'i Amosa 5:2
Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin’ ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak’ Isiraely;
Cross References
2 Kings 17:16Ary nahafoy ny didin’ i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an’ ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra ary nanompo an’ i Bala.
Isaiah 14:21Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran’ izao tontolo izao.
Isaiah 37:22dia izao no teny nolazain’ i Jehovah ny amin’ i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
Isaiah 51:17Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin’ ny tànan’ i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin’ ny faikany.
Jeremiah 4:20Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.
Jeremiah 9:21Ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin’ ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.