Bokin'i Amosa 5:27
Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr’ i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 14:15Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin’ ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin’ ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
2 Kings 17:6Ary tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Hosea no nahafahan’ ny mpanjakan’ i Asyria an’ i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron’ i Habora (dia ny onin’ i Gozana izany) ary teny amin’ ny tanànan’ ny Mediana.
Amos 4:13Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin’ ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
Acts 7:43Tsia, fa nobetainareo ny tranolain’ i Moloka sy ny kintan’ ny andriamanitra atao hoe Refana, Dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo ho any ankoatr’ i Babylona Aho.