Bokin'i Amosa 5:3
Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an’ ny taranak’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Fa izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny taranak’ Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;
Cross References
Deuteronomy 28:62Ary olona vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao fahamaroanareo toy ny kintana eny amin’ ny lanitra izao, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.
Isaiah 1:9Raha tsy nosisan’ i Jehovah. Tompon’ ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma Ary nitovy tamin’ i Gomora.
Isaiah 10:22Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
Amos 6:9Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.