Bokin'i Amosa 5:8
Ilay nanao an’ Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin’ ny tany: Jehovah no anarany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 7:11Tamin’ ny andro fahafito ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny fahenin-jato taona niainan’ i Noa, tamin’ izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin’ ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ ny lanitra.
Exodus 14:24Ary tamin’ ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin’ ny Egyptiana tao amin’ ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin’ ny Egyptiana.
Job 9:9Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,
Job 37:13Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an’ ny taniny izany na ho famindram-po kosa.
Job 38:31Mahavona ny kofehin’ ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
Psalms 104:6Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.