Bokin'i Amosa 6:1
Lozan’ ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr’ i Samaria, dia ireo malaza eo amin’ ny firenena malaza indrindra sady hatonin’ ny taranak’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Judges 18:7Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon’ ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin’ olona akory.
Proverbs 1:32Fa ny fihemoran’ ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan’ ny adala handringana azy.
Isaiah 33:14Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin’ ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin’ ny lelafo mandrakizay?
Jeremiah 5:5Handeha ho any amin’ ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan’ i Jehovah sy ny fitsipik’ Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy nanito fatorana.
Jeremiah 48:11Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan’ ny tsirony ao aminy sy tsy iovan’ ny fofony.
Lamentations 1:1Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin’ ny firenena sy andriambavy tamin’ ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao!