Bokin'i Amosa 6:10
Ary ny havan’ izay maty, na izay handevina azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin’ izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangìna re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.
11Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.
Cross References
1 Samuel 31:12dia niainga ny lehilahy mahery rehetra ka nandeha mandritra ny alina ary naka ny fatin’ i Saoly sy ny fatin’ ny zanany teo amin’ ny màndan’ i Beti-sana; ary tonga tao Jabesy izy ka nandoro azy tao.
2 Kings 23:16Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin’ ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin’ i Jehovah, izay notorin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra.
Jeremiah 44:26Koa henoinareo ny tenin’ i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin’ ny tany Egypta: Indro Aho efa nianiana tamin’ ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin’ ny vavan’ ny lehilahy amin’ ny Joda eran’ ny tany Egypta intsony ny anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo.
Ezekiel 24:21Lazao amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko ny fitoerako masìna, izay reharehan’ ny herinareo, dia ilay tian’ ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon’ ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, izay nilaozanareo.
Amos 8:3Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin’ izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangìna re!