The Bible Software
bible.software › Bokin'i Amosa › Bokin'i Amosa 6 › Bokin'i Amosa 6:11

Bokin'i Amosa 6:11

Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

For, behold, the LORD commandeth, and he will smite the great house with breaches, and the little house with clefts.

In Context

10Ary ny havan’ izay maty, na izay handevina azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin’ izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangìna re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran’ i Jehovah.

12Mihazakazaka eny amin’ ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?

Read all of Bokin'i Amosa 6

Cross References

Psalms 105:16Dia niantso ny mosary ho amin’ ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan’ aina;

Psalms 105:34Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;

Isaiah 10:5Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!

Isaiah 46:10Izay manambara ny farany hatramin’ ny voalohany, ary nanambara hatramin’ ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,

Ezekiel 29:18Ry zanak’ olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ny miaramilany tamin’ ny namelezany an’ i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin’ ny namelezany azy.

Amos 3:6Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Amosa 6:11

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Amosa 6:10Bokin'i Amosa 6Bokin'i Amosa 6:12 →