Bokin'i Amosa 6:12
Mihazakazaka eny amin’ ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.
Cross References
1 Kings 21:7Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin’ ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita.
Isaiah 48:4Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
Jeremiah 5:3Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
Hosea 10:4Niteniteny foana izy tamin’ ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
Amos 5:7Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin’ ny tany.
Micah 7:3Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan’ ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.