Bokin'i Amosa 6:4
Dia ireo izay mandrimandry ao amin’ ny farafara ivoriny sy mitsilailay eo amin’ ny fandriandriany ary homana ny zanak’ ondry avy amin’ ny andian’ ny ondry sy ny zanak’ omby avy ao am-pahitra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Hianareo izay mihevitra ny andro mampahory ho mbola lavitra sy mampanakaiky ny seza fandozana,
Cross References
1 Samuel 25:36Ary Abigaila dia tonga tao amin’ i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan’ ny mpanjaka, ary faly ny fon’ i Nabala tamin’ izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran’ ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan’ ny andro.
Isaiah 5:11Lozan’ izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ ny andro ka ampirehetin’ ny divay!
Isaiah 22:13Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman’ osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
Ezekiel 34:2Ry zanak’ olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny mpiandry ondrin’ ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ ny mpiandry?
Luke 12:19Dia hilaza amin’ ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
Romans 13:13Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ ny andro; tsy amin’ ny filalaovan-dratsy, na amin’ ny fahamamoana, tsy amin’ ny fijangajangana, na amin’ ny fijejojejoana, tsy amin’ ny fifandirana, na amin’ ny fialonana.