Bokin'i Amosa 6:7
Koa amin’ izao dia ho voalohany amin’ izay hobaboina ireo, ary hatsahatro ny hobin’ izay mitsilailay foana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 20:16Ary nivoaka izy nony nitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano rantsan-kazo, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy.
Esther 5:12Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadin’ ny mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin’ ny mpanjaka ho amin’ ny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka amin’ ny mpanjaka aho koa rahampitso.
Esther 7:8Ary ny mpanjaka niverina avy teo an-tanimbolin’ ny trano ho ao amin’ ilay efa nisotroany divay teo, ary Hamana sendra niapoka tamin’ ny farafara nandrian’ i Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin’ ny mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io? Raha vantany vao naloaky ny vavan’ ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan’ i Hamana
Isaiah 24:8Mitsahatra ny firavoravoana amin’ ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban’ ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;
Amos 4:3Ary avy eo amin’ ny banga no hivoahanareo, samy amin’ izay hitsiny avy; Ary horoahina ho any Harmona ianareo, hoy Jehovah.
Amos 5:27Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr’ i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.