Bokin'i Amosa 6:8
Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin’ ny tenany, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro: Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan’ i Jakoba, ary halako ny tranobeny; Koa dia hatolotro ny tanàna mbamin’ izay rehetra ao anatiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.
Cross References
Leviticus 26:11Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ ny fanahiko ianareo.
Deuteronomy 32:19Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy.
Psalms 50:12Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.
Psalms 106:40Dia nirehitra tamin’ ny olony ny fahatezeran’ i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
Isaiah 28:1Lozan’ ny satro-boninahitra, izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.
Jeremiah 22:14Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.