Bokin'i Amosa 7:15
saingy nalain’ i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin’ ny Isiraely oloko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 7:8Koa lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin’ ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
Psalms 78:70Dia nifidy an’ i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan’ ondry;
Ezekiel 2:3Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, maniraka anao ho amin’ ny zanak’ Isiraely Aho, eny, ho amin’ ireo jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka androany.
Matthew 4:18Ary nony nitsangantsangana teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.
Luke 24:46Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ ny maty amin’ ny andro fahatelo;
Acts 4:20Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.