Bokin'i Amosa 8:3
Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin’ izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangìna re!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 10:3Dia hoy Mosesy tamin’ i Arona: Izany dia ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Amin’ izay akaiky Ahy no hisehoako ho masìna, ary eo anatrehan’ ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
Isaiah 37:36Dia avy Ilay Anjelin’ i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
Jeremiah 22:18Ary noho izany dia izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
Joel 1:5Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin’ ny vavanareo izany.
Joel 1:13Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ ny alitara; Andeha mandry amin’ ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin’ ny tranon’ Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.
Amos 5:16Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.