Bokin'i Amosa 8:5
Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 19:36Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
Numbers 28:11Ary izao no atero amin’ ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,
Deuteronomy 25:15Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro ianao any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Nehemiah 13:15Ary tamin’ izany andro izany dia nahita ny sasany tany Joda aho fa nanosihosy famiazam-boaloboka tamin’ ny Sabata sy nampiditra amboara ary nampitondra entana ny boriky sady nitondra divay koa sy voaloboka sy aviavy ary entana samy hafa rehetra, izay nentiny ho any Jerosalema tamin’ ny andro Sabata; dia nananatra azy mafy aho tamin’ ny andro nivarotany hanina.
Psalms 81:3Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin’ ny valiha.
Proverbs 16:11An’ i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.