Bokin'i Amosa 9:1
Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan’ ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan’ ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin’ ny lohan’ izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 18:18Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah: Nahita an’ i Jehovah nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Isaiah 6:1Tamin’ ny taona nahafatesan’ i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban’ akanjony nahafeno ny tempoly.
Isaiah 6:4Dia nihorohoro ny fanambanin’ ny tokonana noho ny feon’ ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano.
Isaiah 30:16Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
Ezekiel 1:28Toy ny tarehin’ avana amin’ ny rahona amin’ ny andro nisy ranon’ orana no tarehin’ ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr’ i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon’ ny anankiray niteny.
Ezekiel 10:4Dia niakatra niala teo amin’ ny kerobima ny voninahitr’ i Jehovah ho eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan’ ny voninahitr’ i Jehovah.