Bokin'i Amosa 9:10
Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin’ ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 10:11Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.
Isaiah 5:19Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain’ ny Iray Masin’ ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!
Isaiah 33:14Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin’ ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin’ ny lelafo mandrakizay?
Jeremiah 18:18Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.
Ezekiel 20:38Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin’ ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Amos 6:1Lozan’ ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr’ i Samaria, dia ireo malaza eo amin’ ny firenena malaza indrindra sady hatonin’ ny taranak’ Isiraely.