Bokin'i Amosa 9:2
Na dia mibosesika ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita aza izy, dia any no hanalan’ ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 20:6Fa na dia mipaka amin’ ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin’ ny rahona ny lohany,
Job 24:23Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
Psalms 139:7Aiza no hialako amin’ ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
Isaiah 2:19Ary hiditra ao amin’ ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
Jeremiah 49:16Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin’ ny tampon’ ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon’ ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin’ ny avo tahaka ny an’ ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
Ezekiel 28:13Tany Edena, sahan’ Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao dia tao aminao, tamin’ ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.