Bokin'i Amosa 9:3
Ary na dia miery any an-tampon’ i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin’ ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan’ ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 22:13Nefa hoy ianao: Ataon’ Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
Psalms 68:23Lazain’ ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin’ ny ranomasina lalina Aho,
Psalms 139:10Dia mbola entin’ ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin’ ny tananao ankavanana.
Jeremiah 16:16Indro, Izaho haniraka mpamono maro, hoy Jehovah, Izay hamono azy; Ary rehefa afaka izany, dia haniraka mpihaza maro Aho, Izay hihaza azy any amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato.
Jeremiah 23:24Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.